Chantal - Avelao
TONONKIRA
Nahatsiaro marary ianao nilaozany
Nitondra ny mangidy ianao fa…
Tsy tsapany hoe ianao no tena
Tia azy Naleony nitady Vaovao…
Retraretra efa nafoinao ho azy;
hatramin’izay sarobidy indrindra…
Hanenina ihany izy any aorina any
Hiverina eo hitady anao indray
REF :
AVELAO IZY HANDEHA
HANALAVITRANAO ANY
AZA MIARITRA TOMANY
FA TSOFY RANO
IZY ATAOVY AN TSAINA HOE…
NY TIANAO TSY IZY IRERY IHANY
FA MBOLA BETSAKA ANY HO ANY
AFAKA ITIANAO HO MANDRAKIZAY ♥️…..
(ho mandrakizay…)
Izy ihany no tompon-tsafidy
Ianao tsy afaka hanery azy ,handidy
Manorata tantara Vaovao
Eo anilan’ilay tena Tianao ho mandrakizay…
Dia tsy ho latsaka intsony ranomasonao fa’
Fianam-baovao lavitrin’ny alahelo ka
Fafao ny ranomasonao…
Izy anie tsy anjaranao!
REF :
AVELAO IZY HANDEHA
HANALAVITRANAO ANY
AZA MIARITRA TOMANY
FA TSOFY RANO
IZY ATAOVY AN TSAINA HOE…
NY TIANAO TSY IZY IRERY IHANY
FA MBOLA BETSAKA ANY HO ANY
AFAKA ITIANAO HO MANDRAKIZAY ♥️…..
(ho mandrakizay…)
REF: ….
AVELAO IZY HANDEHA 3*(avelao)3*
FA TSY MILA ANAO INTSONY EEEE💔💔
REF : …