fbpx

REKO - HIRA

Téléchargement Audio 480p 720p 1080p 4k

TONONKIRA / PAROLES

He ! izaho ihany ilay omaly.
Tsapako nihamaivana aho rehefa nizara taminao.
Nefa reko mbola marary.
Tiako ho sitrana aho izao dia izao nefa tsy izay angamba no ilaiko.

Voaiko ny foko na dia kely aza ny aiko. Hikiry aho hatoky, bobaikoiko ny saiko.

Mba hisy hira, hira tsara indray
Hiarahako mihira amin’ireo miady toa ahy.
Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko,
Tsy avelako hofaty fa hokopahiko.
Ataoko hira ho an’ireo miady toa ahy.

Eh ! inty indray aho androany.
Sarotra amiko ny mihetry, izaho somary mafy loha.
Nefa na izany na tsy izany !
Haiko hoe izaho no mila mianatra fa tsy ianao no mila miova.

Be ny ambopoko kanefa be ireo tsy haiko.
Aoka re ny adisoako ho lesona hampitaiko.

Mba hisy hira, hira tsara indray
Hiarahako mihira amin’ireo miady toa ahy.
Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko,
Tsy avelako hofaty fa hokopahiko.
Ataoko hira ho an’ireo miady toa ahy.

Raha hiresaka amiko ny haintaina,
Ampianaro aho hiaino.
Aoka ny fahanginana hampianatra ahy
hahalala ahy.
Aoka ny fahelam-potoana hampianatra ahy haharitra foana foana.
Aoka izay rehetra very hampianatra ahy ny hany fananako dia ianao irery.

Ireo sento, toloko ; nanome hira ho hiraiko.
Misaotra manaiky antsoiko na oviana ilaiko.

Fa misy hira, hira tsara izao
Hiarahako mihira amin’izao tontolo izao.
Raha mbola misy hazavana kely ato anatiko,
Tsy avelako hofaty fa hokopahiko.
Ataoko hira ho an’ireo miady toa ahy.

Real Love

Black Sandrios

Gasikara

D-Lain

FA KARA IO

TENCE MENA

We Love Moujanga

Basta Lion feat Selek'Ston

Andeha

FARAO THT feat ADR

LEHILAHY REGAREGA

RIVERA & VANEY'S

Voly

Wendy Cathalina

Tsy magneva

Docteur Love feat Ydah

Nengambaly

Jackie Juivon

Célibataire

Célibataire
27 septembre 2023

Indrisy

CYAH X Dj MR GARY
26 septembre 2023

Erinia

Sentiments
25 septembre 2023

Tongava Say

Black Nadia
22 septembre 2023